<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>5</hymn_number>
<title>Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko TS5</title>
<lyrics>[V1]
 Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko;
 Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny Anarany masina
 Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko;
 Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra

[V2]
 Izay mamela ny helokao rehetra,
 Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
 Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka,
 Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,

[V3]
 Izay mahavoky soa ny vavanao;
 Ny fahatanoranao mody indray toy ny an'ny voromahery
 Jehovah manao fahamarinana
 Sy fitsarana amin'izay rehetra ampahorina.

[V4]
 Efa nampahafantatra an'i Mosesy ny lalan-kalehany Izy;
 Ny Zanak'Isiraely nampahafantariny ny asany.
 Mamindra fo sy miantra Jehovah,
 Mahari-po sady be famindram-po.

[V5]
 Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy,
 Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.
 Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy,
 Na mamaly antsika araka ny helotsika.

[V6]
 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany
 No haben'ny famindram-pony amin'izay matahotra Azy.
 Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana
 No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.

[V7]
 Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany
 No fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy;
 Fa Izy mahalala ny toetsika
 Ka mahatsiaro fa vovoka isika.

[V8]
 Tahaka ny ahitra ny andron'ny zanak'olombelona;
 Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
 Satria tsofin'ny rivotra izy ka lasa,
 Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.

[V9]
 Fa ny famindram-pon'i Jehovah dia hatramin'ny taloha indrindra
 Ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy
 Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka.
 Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.

[V10]
 Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra;
 Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.
 Misaora an'i Jehovah, ianareo anjeliny, dia ianareo izay mahery indrindra
 Sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon'ny teniny.

[V11]
 Misaora an'i Jehovah, ny miaramilany rehetra,
 Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.
 Misaora an'i Jehovah, ny asany rehetra eran'ny fanjakany;
 Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko.

[V12]
 Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
 Ary ny Fanahy Masina;
 Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
 Andriamanitra mandraki-zay. Amen.</lyrics>
</song>